29.10.25Androany no nandray ny fitantanan-draharaha ofisialy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina GASCAR Fenosoa.Tontosa ny maraina teo tetsy amin’ny biraon’ny Minisitera etsy amin’ny efitrano DOX Anosy ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny Minisitra teo aloha MARA Volamiranty Donna.Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ity farany no nampahatsiahivany ireo asa vita sy ireo tetikasa eo am-panatanterahana ankehitriny i Ramatoa Minisitra. Tsy nohadinoiny ihany koa ny nankasitraka ireo mpiara-miasa tsy an-kanavaka izay niara-namita taminy ireo andraikitra niantsorohan’ny ministera nandritra izay iray taona sy volana vitsivitsy nitantanany ny departemanta izay.Ankoatra ny famindram-pahefana teo amin’ireo Minisitra roa tonta dia notontosaina nandritra ity fotoana anio ity ihany koa ny famindrana ireo harembakoka "vola" vita amin’ny volamena miisa 14 izay vokatry ny asan’ireo mpikaroka tao Ste marie ka natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho eo ambany fiandraiketan’Andriamatoa Minisitra vaovao.Fisaorana ny 𝗞𝗼𝗹𝗼𝗻𝗲𝗹𝘆 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮ë𝗹, Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta RAJAONARIVELO Herintsalama no nanombohan’ ny Minisitra GASCAR Fenosoa ny lahateniny noho ny fahatokisana hiandraikitra ity departemantan’ny serasera sy ny kolontsaina ity. Tao anatin’izay ihany koa no nampahatsiahivany ny vanim-potoana sarotra nolalovan’ny Firenena izay niteraka ireo hetsika ho fitakiana fanovàna, ka nanamafisany ny fanentanana ireo mpiara-miasa mba samy hanao ho zava-dehibe izany fanovàna izay andrandrain’ny vahoaka malagasy ankehitriny izany.Nisaotra ny Minisitra teo aloha koa ny tenany noho ireo asa izay vita teo anivon’ny ministera, ary niantso sy nanentana ireo mpiara-miasa mba hiara-hifanome tanana hahatrarana ny tanjona iombonana.Nisaotra ireo ekipa mpiara-dia taminy ny tenany noho ny ezaka niaraha-nanao ary niantso fiaraha-miasa amin’ireo mpanao gazety tsy an-kanavaka ka nanipihany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa hahasoa ny Firenena ny varavaran’ny Minisitra Gascar Fenosoa.Taorian’ny lanonam-pamindram-pahefana dia nisy ny tafa fohy ho fiarahabana sy fisaorana noho ny fanotronana, nataon’Andriamatoa Minisitra tamin’ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny ministera izay nahitana ireo solon-tena avy any amin’ireo fitaleavam-paritra.