Vita tanteraka ny Boulevard Kiembe izay sady hanova ny endriky ny tanànan'i Toliara no sady hiaro ireo fokontany manodidina amin'ny fiakaran'ny rano rehefa fahavaratra. Tsy hijanona hatreo ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ao Toliara fa araky ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina dia hajariana avokoa ireo lalana an-tampon-tanana. Hatsangana amin'ny fiafaran'ny Boulevard Kiembe ihany koa ny tanàna vaovao ahitana ireo fotodrafitrasa samihafa toy ny trano vaovao sy ny ivon-toeram-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro hanana tanjaka 2,5MW hatramin’ny 10MW.