Mitohy hatrany ny ezaka fanatsaràna ireo rantsamangaikan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina isam-paritra.Taorian'ireo fampitaovana ho an'ny Fitaleavam-paritra Atsimo Andrefana ny herinandro teo dia anjaran'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Vakinankaratra tarihin-ny Talem-paritra BAKOHARIMANANA Nirina indray no nisitraka fanatsaràna ka nohavaozina ny "studio" ary napetraka ny " plateau" vaovao ho an'ny RTV (Radio Télévision Vakinankaratra) izay ahafahan'ny olom-pirenena manaraka ny vaovao samihafa sy ireo fandaharanavokarina avy amin'ny RNM sy TVM. Ho tohizana hatrany ny fanatsaràna ho an'ireo Fitaleavam-paritra rehetra manerana ny Nosy ary tsy misy ho adino araka ny nambaran'ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsàina Mara Donna .