Actualités > AM-PITIAVANA NO IARAHABAKO IREO RENY...

AM-PITIAVANA NO IARAHABAKO IREO RENY REHETRA AMIN' ITY ANDRO MANAN-DANJA ITY


Tsy Reny tonga lafatra, fa Reny miezaka.Miezaka manome fitiavana, na reraka.Miezaka miarina, na lavo.Miezaka mitsiky, na mitomanyao anaty.Mety hangina nefa maharitra amin’ny zavatra rehetra.Mety ho very hevitra, nefa tsy kivy.Satria ny fon-dreny no mitarika.Ny fon-dreny dia fitiavana tsy mety ritra.Am-pitiavana no iarahabako ireo Reny rehetra amin’ity andro manan-danja ity.Mirary soa ho an’ireo Reny niteraka, ireo Reny manabe, ireo Reny tia amin’ny fony. Samy mendrika ho hajaina sy ankalazaina avokoa.Tsaroako manokana koa ireo ankizivavy tsy afaka nianoka ny fahazazany, fa lasa Reny tsy fidiny.Mety ao anaty fijaliana, miaina fanaintainana ao anaty fahanginana nefa mbola mitondra fitiavana.

Publie le 27/05/2025 Par 451512 Categorie: Actualités