Lalao ara-panatanjahantena nialoavana Diabe niala teo amin'ny tsangambato an'Ambohijatovo nihazo ny kianjan'i Barea Mahamasina, natao androany alarobia 4 jona 2025. Tafiditra ao anatin'ny hetsika fankalazana ny faha 65 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovan-tena Nanokatra ny isa ary nahafaty ny baolina ho an'ny Governemanta moa ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa MARA Volamiranty Donna Mara Donna tamin'ny lalao baolina kitra nikatrohan'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta sy ny Foloalindahy.