Actualités > NY GOVERNEMANTA MALAGASY SY NY ANTEN...

NY GOVERNEMANTA MALAGASY SY NY ANTENIMIERANDOHOLONA


Tanterahina androany Alatsinainy faha 16 Jona ny fivoriana ho fifanatrehana mivantana eo amin'ny Governemanta malagasy sy ny Antenimierandoholona amin'ny maha Andrimpanjakana mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana azy.Manatrika ity fihaonana ity ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta tarihin'ny Praiministra NTSAY Christian.Nanokatra sy nitarika ny fivoriana Ny Filohan'ny Antenimerandoholona Ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard.Nasian'ny Praiministra teny fohy ny fanamafisany ny maha zava-dehibe ny fandraisan'i Madagasikara ny Fihaonana antapon'ny SADC ny volana Aogositra ho avy izao. Taratry ny fahombiazan'ny Diplômasia malagasy izany ary indrindra maneho ny tanjaky ny Haitarika ananan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina izay tsiahivina fa Filoha mitarika ny vondrona SADC ankehitriny.Miantefa mivantana amin'ireo Ministra ireo fanontaniana ka hitondran'izy ireo valim-panontaniana avy hatrany manoloana ireo Loholona ary mandeha mivantana ihany koa amin'ny haino aman-jerim-pirenena TVM sy Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz .

NY GOVERNEMANTA MALAGASY SY NY  ANTENIMIERANDOHOLONA
NY GOVERNEMANTA MALAGASY SY NY  ANTENIMIERANDOHOLONA
NY GOVERNEMANTA MALAGASY SY NY  ANTENIMIERANDOHOLONA
NY GOVERNEMANTA MALAGASY SY NY  ANTENIMIERANDOHOLONA
NY GOVERNEMANTA MALAGASY SY NY  ANTENIMIERANDOHOLONA
Publie le 16/06/2025 Par 451512 Categorie: Actualités