Araka ny tatitra navoakan'ny CHU-JRA tamin'ity alarobia 18 jona ity tamin'ny 8h43 dia niakatra 15 ireo namoy ny ainy tao amin'ity hopitaly ity.Izany hoe 15 tao amin'ny CHU-JRA miampy iray tao amin'ny Homi, iray tao Andohatapenaka ary iray tamin'ny hopitaly tsy miankina, mahatonga ny isan'ireo namoy ny ainy ho 18. Raha ho an'ny ao amin'ny CHU-JRA manokana, 51 no noraisina an-tanana tao amin'izy ireo hatreto ka ny 19 amin'ireo no mbola ao anatin'ilay antsoina hoe " Cas Critiques". 6 kosa no efa nalefa nody.