𝟮𝟰 𝗷𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱 - Nitsidika ny firosoan'ny asa fanamboarana ny lalambe migodana teo amin'ny PK0 Ambodifasina ny Filohan’ny Repoblika. Hiditra amin’ny dingana stratejika ity tetikasa goavana ity satria hanomboka ny fandrakofana tara ny ampahany voalohany hatrany Ambohimanga. Ny fanamby dia ho vitaina mialohan’ny fihaonana an-tampon’ny SADC izany ampahan-dalana izany.