Fotodrafitrasa manara-penitra izay hahitana toeram-ponenana mendrika no natsangatsika ho an’ireo mpianatra tonga mandrato fianarana eto Andrainjato.Mba hifanojoan’ny fianarana rantovana sy ny filana arak’asa dia natsangana niaraka tamin’ny sehatra tsy miankina ny Acces Development Hub, Fotodradfitrasa, fifarimbonana amin’ny sehatra tsy miankina ary mifanohy amin’izay lalantsaina entina hampivoarana ny fampianarana izay, dia mijoro koa ankehitriny ny trano izay voarafitra avy amin’ny printy 3D. Ho ampiasaintsika io teknolojia vaovao io entina hanitarana sy hanorenana efitrano fianarana manerana ny Nosy.