Tonga nitsapa alahelo sy nitondra ny teny fampiononana ho fankaherezana ny fianakavian'i SAHONDRAFININA Zanany, teny Ambohitrimanjaka, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna, notronin'ireo mpiara-miasa aminy sy ireo Fikambanan'ny mpanao Hiragasy.67 taona i RAZAFINDRANAIVO Sahondrafinina izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Mpihiragasy, sady Filohan'ny Tarika SAHONDRAFININA Zanany Fenoarivo ny tenany. Isan'ireo andrarezin'ny Hiragasy izy ary nitondra avo ny Kolontsaina malagasy.