Nandray ny andraikiny ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny fandrindrana ny famoahana vaovao manan-danja mifanaraka amin’ny zavamisy. Voafidy noho ny amin'ny toerana stratejika amin’ny maha faritra fandalovan’ny olona maro mankany Ikongo azy ity kaominina ity. Nifantoka indrindra tamin’ny fanentanana amin’ny ady atao amin’ny tazomoka, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny manam-pahefana eo an-toerana, ary ny fanatonana mivantana ireo tokantrano marefo ny hetsika androany. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny mponina amin’ny fiarovana ny fahasalamany manoloana ny aretina mitarazoka.