Noraisina amin'ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo fiara Hongqi izay hitondra ireo Filoham-pirenena mandritra ny andiany faha - 45 ny fihaonana an-tampon'ny SADC ny volana aogositra ho avy izao. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina sy ny Repoblikan'i Madagasikara. Ireo fiara ireo dia hanamafy ny lafiny fampitaovana sy andray anjara amin'ny fandraisana mendrika ireo Filoham-panjakana sy Governemanta andrasana eto Madagasikara mandritra izany fihaonana lehibe izany.#SADC2025 #SADCMadagascar #AntananarivoSADC