Nanatanteraka fiofanana manokana tao Ambilobe ny 16–18 jolay 2025 ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ny talem-paritra sy ny delege 21 avy amin’ny faritra DIANA sy SAVA. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-mitantana, ny serasera, ny fahaiza-mikirakira tambazotra sosialy, ary ny maha olona.Ity hetsika ity izay tafiditra anatin’ny vina nasionaly dia ny “Fampiroboroboana ny maha olona” sy ny “Fanjakana tsara tantana”, araka ny paikady napetraky ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina.Nitarika ny fiofanana ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny ministera foibe, notarihin’ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, MARA Volamiranty Donna.