Mandray anjara amin’ny "America's Next Top Hitmaker” karakarain’ny Global Citizen, fifaninanan-kira anisan’ny goavana indrindra any Amerika, i Mikahely amin’izao fotoana izao. Tafakatra amin’ny dingan’ny manasa-dalana izy ankehitriny, ary mpanakanto 128 no mifaninana aminy. Andao hifanohana hifidy azy amin’ny alalan’ny rohy “https://tophitmaker.org/2025/mikahely”. Ny mpandresy amin’ity fifaninana ity dia hahazo vola 50,000 dolara, hanao fampisehoana amin'ny ‘Festival Citizen Global 2025’ hatrehin’ny mpijery tsy latsaky ny 60 000 isa, ary hiseho amin'ny gazetiboky “Rolling Stone”.Alefa Mikahely Reharehan'i Madagasikara