Actualités > FANKASITRAHANA AN' IREO MPITANDRO FIL...

FANKASITRAHANA AN' IREO MPITANDRO FILAMINANA EO ANIVON' NY POLISIM-PIRENENA MISAHANA NY HELOKA BEVAVA


Mankasitraka an’ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny heloka bevava aho, noho ny fahombiazan’izy ireo tamin’ny fisamborana ireo olona roa nokarohina, mikasika ny raharaha fampiasana hosoka tamin’ny laharan’ireo fiaramanidina dimy izay hita fa lasa tany Iran.Tsy azo ekena ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanalam-baraka an’i Madagasikara.Voaporofo tokoa izao fa rehefa miray hina sy miray fo ny rehetra ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana, dia tratra ny tanjona.Izaho dia manamafy hatrany ny finiavako hiady andro aman’alina ho an’ny Firenena, ary tsy hanaiky ny ataon’ireo izay mikasa hanala baraka na hanohintohina ny hasin’ny Firenena.

Publie le 31/07/2025 Par 451512 Categorie: Actualités