Actualités > NORAISIN' NY FILOHA ANDRY RAJOELINA T...

NORAISIN' NY FILOHA ANDRY RAJOELINA TENY AMIN' NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY SEKRETERA MPANATANTERAKY NY SADC, ANDRIAMATOA ELIAS MAGOSI


Nandray ny Sekretera Mpanatanteraky ny SADC, Andriamatoa Elias Magosi, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina androany.Niompana indrindra amin'ny fanomanana ny andiany faha-45 ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena sy Mpitondra fanjakana eo anivon’ny SADC ny fihaonan'ny roa tonta.Nankasitrahan'ity Sekretera Mpanatanteraky ny SADC ity manokana ireo ezaka nataon'ny firenena Malagasy ho fahombiazan'izany fihaonana lehibe izany, ary efa hita taratra izany hoy izy tamin'ireo fivoriana samihafa efa nanomboka ny 4 aogositra lasa teo, na teo amin'ny fandraisana, ny lafiny tekinika, ny arofenitra sy ny filaminana.

NORAISIN' NY FILOHA ANDRY RAJOELINA TENY AMIN' NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY SEKRETERA MPANATANTERAKY NY SADC, ANDRIAMATOA ELIAS MAGOSI
Publie le 08/08/2025 Par 451512 Categorie: Actualités