Actualités > NISOKATRA ANDROANY 12 AOGOSITRA 2025.

NISOKATRA ANDROANY 12 AOGOSITRA 2025.


Teto Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC, izay enti-manomana ny fihaonana an-tampony faha-45n’ireo Filoham-panjakana sy lehiben'ny Governemanta.Maneho ny fahavononan'i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aty amin'ny Faritra atsimon'i Afrika sy ny fampandrosoana maharitra ny vahoaka ao anatin'ny Vondrona izao fandraisantsika ny fitantanana ny Filan-kevitry ny Minisitry ny SADC izao.Nandray ny fitantanana izany Filan-kevitry ny Minisitra izany androany Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy , nandimby ny Profesora Amon Murwira, Minisitra misahana ny Raharaham-bahiny sy ny Varotra Iraisam-pirenena avy any Zimbabwe. Haharitra herintaona (Aogositra 2025 - Aogositra 2026) ny fe-potoana iasany.SADC.#SADC2025#SADCMadagascar #AntananarivoSADC

NISOKATRA ANDROANY 12 AOGOSITRA 2025.
NISOKATRA ANDROANY 12 AOGOSITRA 2025.
Publie le 13/08/2025 Par 451512 Categorie: Actualités