Tonga soamantsara eto amintsika ny atoandro teo, teto aminβny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Ivato, Andriamatoa Samuel Ntsokoane Matekane, Praiminisitrβi Lesotho. Ny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta Ntsay Christian no nandray azy taminβizany. Tsara ny manamarika fa mbola hifanesy ho tonga eto Madagasikara aminβizao tapany tolakandro izao, ireo Filoham-pirenena sy Lehibenβny Governemanta handray anjara aminβny Fihaonana an-tamponβny SADC eto amintsika. ππ² πππ«ππ¬ππ«π