π³ππππβπ π΄πππππ€ππ§ππ«π[ππππ-20 πππππ¨ππ©ππ 2025]Nisokatra taminβny fomba Γ΄fisialy teto Yokohama, Japana androany, ny TICAD-9. Fihaonambe iraisampirenena ahitana ny fandraisanβanjaranβireo Filoham-panjakana sy Lehibenβny Governemanta, ary solontena ambony avy aminβireo firenena Afrikana sy Japoney. Kendrena aminβizany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminβi Afrika sy i Japana, ho anβny fampandrosoana ny roa tonta.Mandray anjara mavitrika aminβny TICAD-9 i Madagasikara, amin'ny alalan'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian sy ny delegasiaona izay tarihiny. Zava-dehibe ho anβny firenentsika ny fahafahana mampita ny vina sy tetikasa tafiditra ao anatinβny laharampahameham-pirenena apetraky ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, mba ahafahana manatanteraka azy ireo miaraka aminβny mpiara-miombon'antoka sy ny orinasa tsy miankina, ho anβny fandrosoana mah