Voalohany eo amin'ny tantaram-pirenena no tonga amin'izao dingana famaranana izao isika Malagasy. Hiray fo isika Malagasy rehetra hanohana ny Barea. Andao hanandratra avo ny voninahi-pirenena.Haja sy voninahitra ho an’ny mpilalao nasionaly no hatrehin’ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina.Tsy fanasana fotsiny fa adidin’ny Filoha ny manohana ny ekipam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Ny Filoha Andry RAJOELINA no Filoha tena mpanohana sy mpitia ny mpanao fanatanjahan-tena malagasy ary teo anilan'ny Barea hatrany.Alao hery ary, isika rehetra hiara-hirona amin'ny BAREA.#Alefa_BAREA#CHAN_2025#BAREA_hatramin_ny_farany