Tonga soamantsara eto an-tanindrazana ny ekipam-pirenentsika Barea Madagasikara. Vahoaka maro be no tonga nitsena azy ireo nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy ny lalana nizoran'izy ireo hatreny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Miray feo tanteraka ny vahaoaka malagasy mankasitraka azy ireo nitondra avo ny voninahi-pirenena