Notanterahina androany 17 Septambra ny lanonana fandraisana sy fandefasana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo (VIES), notronin’ny Sekretera Jeneraly avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamatoa Fetra RAKOTONDRASOAVA. Tanora miisa 12 no niverina avy nanao asa an-tsitrapo tany ivelany, hitondra traikefa sy fahaiza-manao ho an’i Madagasikara raha toa ka tanora miisa 15 vaovao kosa no handeha hanao asa an-tsitrapo any ivelany. Ankoatra ireo dia misy ihany koa ny mpilatsaka antsitra-po frantsay miisa 10 izay tonga hanampy amin’ny fanabeazana, kolontsaina, tontolo iainana ary fiarahamonina.Notsiahivin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavina tamin’i Frantsa (AIG) ho fiarovana sy fanohanana ireo mpilatsaka antsitra-po ary hampidirana azy ireo amin’ny tanjona maharitra (ODD), ary nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny France Volontaires sy ny masoivohon’i Frantsa amin’ny fanentanana ireo tanora hitondra avo ny lokon’i Madagasikara any ivelany.