Nisokatra amin'ny fomba ofisialy any New York ny andiany faha-80 amin'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana izay mitondra ny lohahevitra: "Mahomby miaraka: 80 taona ho an'ny fampandrosoana, ny fandriampahalemana sy ny zon’olombelona". Nanatrika ny lanonam-panokafana tao amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny delegasiona malagasy izay tarihiny. Notsiahivin’ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, Andriamatoa Antonio Guterres, fa manoloana ny toe-java-misy maneran-tany sy ireo ambana vaovao eo amin’ny tontolo iraisam-pirenena, dia zava-dehibe ho an’ny hoavin’izao tontolo izao, sy ho an’ireo firenena tsirairay mivondrona ao amin’ny Firenena Mikambana izao fihaonana izao. Amin’ny maha mpikambana feno azy i Madagasikara dia mivohy ihany koa ny fiaraha-mientana iraisam-pirenana ho an’ny fikatsahana ny fandriampahalemana maharitra, ny fampandrosoana mirindra sy ara-drariny, ary ny fanajana ny zo maha-olona