Nandray fitenenana nandritra ny Fivoriambe faha-80 an’ny Firenena Mikambana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ary amin’ny maha filohan’ny SADC azy dia nitondra ny feon’i Madagasikara sy ireo firenena amin’ny faritra atsimon'i Afrika teo anatrehan’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena ny tenany. Nanao jery todika ireo zava-bita sy ireo fanamby mila hatrehin'i Madagasikara ihany koa ny Filoham-pirenena eo amin’ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fiazakazahana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina hahatratra hatramin’ny 70% ny famokarana amin’ny taona 2028, ny fametrahana ireo fotodrafitrasa maoderina sy ireo fandaharan'asa ho an'ny tanora amam-behivavy. Nanao antso avo amin’ny amehana amin’ny fiovaovan'ny toetrandro ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina ary indrindra nitaky ireo firenena tena mpandoto tontolo iainana mba handray andraikitra. Amin’ny maha-Filohan’ny SADC azy, dia nanao adisisika ny tenany ho fanavaozana ny AGOA, izay manan-danja amin’ny asa an’aliny maro ho an'ny faritra Atsimon'i Afrika Atsimo. Nanao antso ho an'ny fitoniana sy ny fandriampahalemana ihany koa ny Filohan’ny Repoblika manoloana ireo ady sy savorovoro amin'ireo firenena sasany « Ndao hisafidy ny hiray hina. Ndao hisafidy ny fiombonana isika. Hisafidy hanorina fa tsy handrava isika. Hiara-mandroso ho amin’ny hoavy mirindra sy milamina ho an’ny taranaka fara mandimby" hoy ny Filoha Andry Rajoelina