Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Atoa NTSAY Christian no mitarika isan'andro ao amin'ny Toby Ratsimandrava ny fivorian’ny OMC NATIONAL ( Organe Mixte de conception ) noho izy no Filohan’izany araka voafaritry ny Lalàna. Mikatsaka hatrany ny tenany miaraka amin’ireo Mpikambana ao amin’ny OMC/NAT mametraka ny paikady amin’ny fametrahana ny filaminana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.Araka ny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta Rtoa MARA Volamiranty Donna. Minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina dia manohy ny asany avokoa ny Mpikambana rehetra amin’ny Governemanta.Amin’ny anaran’ny Governemanta dia manao antso avo hoan’ny rehetra hatrany ny tenany mba samy ho tony.Mampatsiahy koa Rtoa Minisitra mba aoka ny vaovao marina, voamarina ary voalanjalanja ihany no voizina.