Actualités > FANAPAHAN' NY MPIKAMBANA AO AMIN' NY...

FANAPAHAN' NY MPIKAMBANA AO AMIN' NY OMC-NAT NOTARIHIN' NY PRAIMINITRA LEHIBEN' NY GOVERNEMANTA NTSAY CHRISTIAN


Araka ny  fanapahan’ny mpikambana ao amin’ny OMC-NAT notarihin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian ny  27 septambra 2025 dia miverina ny fampianarana amin’ireo sekoly rehetra ao amin’ny Ambaratonga  KOLEJY sy ny LISEA rehetra ny Alatsinainy faha 29 septambra 2025  ao anatin 'ireo Fari-piadidiam pampianarana  manaraka ireto : ANTANANARIVO RENIVOHITRA, ANTANANARIVO ATSIMONDRANO,ANTANANARIVO AVARADRANO,  AMBOHIDRATRIMO ary ANTSIRABE. Ny faritra, na distrika tsy voatonona dia mandeha hatrany koa ny fampianarana. Mitohy araka izany ny asa fampianarana rehetra hoan’ny tomponandraikitra rehetra. Miantso antsika rehetra hatrany hanamora ny fifamezivezen’ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpanabe sy ny mpiaramiasa ato amin’ny sehatry ny Fanabeazam-pirenena fa indrindra hitsinjo azy ireo.

Publie le 29/09/2025 Par 451512 Categorie: Actualités