Actualités > RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO T...

RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA

𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐[𝑭𝒂𝒉𝒂-3 𝒇𝒆𝒃𝒓𝒐𝒂𝒓𝒚 2026]Nihazo avy hatrany ny Distrikan’i Vatomandry sy Mahanoro, Faritra Atsinanana, ny delegasiaona notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, androany maraina, nankahery sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny rivodoza Fytia. Nozaraina tamin’izany ireo zavatra ilaina maika, toy ny vary, menaka, voamaina ary kojakoja ilaina andavanandro, ho an’ireo fianakaviana voakasika.Nandritra ity fidinana ifotony ity dia nihaino mivantana ny fitarainan’ireo traboina ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ary nampatsiahy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ny maha-zava-dehibe ny fandrindrana ny asa fanarenana sy ny famerenana haingana amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina, amin’ireo faritra rehetra voakasiky ny rivodoza.Niara-dia taminy tamin’izao fitsidihana ny Faritra Atsinanana izao ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, ireo olom-boafidy, olom-boatendry ary ireo tomponandraikitra ambony eto Mahanoro sy Vatomandry.𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 Primature - Lapan'i Mahazoarivo

RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
RIVODOZA FYTIA : TONGA NANAMPY IREO TRABOINA TETO MAHANORO SY VATOMANDRY NY PRAIMINISITRA
Publie le 04/02/2026 Par 451512 Categorie: Actualités