Ankoatra ny fidinana ifotony ataon’ny delegasionina tarihin’ny 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝑵𝒚 Kolonely RANDRIANIRINA Michael mivady, miaraka amin’ny 𝘔𝘱𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘈𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢 𝑵𝒚 𝑱𝒆𝒏𝒆𝒓𝒂𝒍𝒚 𝑹𝑨𝑵𝑶𝑬𝑳𝑺𝑶𝑵 𝒁𝑨𝑭𝑰𝑻𝑨𝑺𝑶𝑵𝑫𝑹𝒀 𝑴𝒂𝒓𝒄𝒆𝒍𝒍𝒊𝒏, any amin’ny faritra Boeny; sy ireo tomponandrakitra ara-panjakana miatrika ny fahavoazana ao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, dia misy delagasionina ahitana minisitra maromaro hafa tarihin’ny 𝘔𝘱𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘵𝘦𝘯𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂 koa no 𝙖𝙢𝙥𝙚𝙧𝙞𝙣𝙖𝙨𝙖 𝙢𝙞𝙧𝙤𝙩𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙣-𝙠𝙞𝙖𝙣𝙟𝙖 ao amin’ny faritra 𝗕𝗲𝘁𝘀𝗶𝗯𝗼𝗸𝗮 amin’izao ankehitriny izao manao asa famonjena ireo mpiray tanindrazana tratran’ny voina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza 𝗙𝘆𝘁𝗶𝗮, sy miara-mientana mamerina ny fiainam-bahoaka amin’ny laoniny. Delegasiona ahitana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo 𝑹𝑨𝑳𝑰𝑻𝑬𝑹𝑨 𝑵𝒚 𝑨𝒏𝒅𝒐 𝑱𝒖𝒓𝒊𝒄𝒆, ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana 𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑨𝑫𝑰𝑺𝑶𝑵 𝑯𝒂𝒊𝒏𝒈𝒐𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa Pr 𝑹𝑨𝑽𝑶𝑵𝑰𝑴𝑨𝑵𝑨𝑵𝑻𝑺𝑶𝑨 𝑵𝒅𝒂𝒐𝒉𝒊𝒂𝒍𝒚 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒂-𝑽𝒚, ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no manatanteraka iraka avy amin’ny Fitondram-panjakana any an-toerana androany 3 febroary 2026.Olona tra-boina maherin’ny 3 500 avy amin’ny kaominina 𝐌𝐚𝐞𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 sy 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐦𝐚 no nanaterana fanampiana ara-tsosialy maika sy nanaovana famonjena vonjy taitra noho ireo toerana ireo isan’ny nahitana takaitra mavesatra taorian’ny rivodoza ary koa nahitana olona miisa 2 namoy ny aina. Trano fonenana maro no rava, Biraom-panjakana maro hafa toy ny foiben’ny" CIM ", trano sekoly sy toeram-pitsaboana, samy nitondra faisana avokoa ka mahatonga ny Fitondram-panjakana miasa avy hatrany manao ny fanarenana mba hankaherezana ny mpiray tanindrazana sy hanenana ny fahasahiranan’ny vahoaka, sady manangona ny tatitry ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka.