Actualités > FIFANANKALOZAN-KEVITRA SY FIARAHA-MID...

FIFANANKALOZAN-KEVITRA SY FIARAHA-MIDINIKA AMIN'NY FILOHAN'NY REPOBLIKA MADAGASIKARA ANDRY RAJOELINA


Ry Tanora Malagasy,Isika rehetra dia samy atosiky ny fitiavan-tanindrazana ary tsy misy maniry na iray aza ny fahapotehan’ity firenena ity.Ny fahavalontsika dia ny fahantrana. Ny kolikoly. Ny tsy rariny. Ny tsindry hazo lena.Ny fanamparam-pahefana isan-tsokajiny.Ka hiaraka hiady amin'izany isika, hiaraka hanorina fiaraha-monina vaovao ao anatin’nyfiombonam-po sy fifankatiavana.Ka noho izany dia hisy ny fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-midinika hihainoana ireo hetaheta, handrafetana vahaolana maharitra ho an’izay maharary antsika. Hanotrona izany:Ireo raiamandreny ara-panahyIreo raimandreny ara-drazanaFiloha mpitantana ny OniversiteMpianatra avy amin’ireo OniversiteTanora sy fikambanan’ny tanora Fiarahamonim-pirenenaMpandraharaha amin’ny seha-pihariana maro samihafaIreo orinasa nisedra fandrobana sy very asaSendika sy fikambanana arak’asaMpitsabo, mpampianatraMpanao fanatanjanahantenaMpanakanto sy artistesMpanao gazetyFikambanam-behivavyTranoben’ny Tantsaha Tomponandraikitra avy amin'ny JiramaTsy misy sarotra tsy ho vaovaha.Tsy misy olana tsy ahitam-bahaolana.

Publie le 08/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités