Nisy nifofo ny ain’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka voatery nikisaka niaro ny tenany izy.Mamela ireo izay nifofo ny ainy izy anefa.Manohy ny mission hamahana ny olan’ny firenena izy ary mijoro hatrany.Nolaviny ny fahatongavan’ny miaramila avy any ivelany.Samia tompon’andraikitra ny hoavin’i Madagasikara ny rehetra.Masina ny Tanindrazana hoy izy.