Ao anatin'ny fanorenana an'i Madagasikara, araka ny voalazan'ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny didim-panjakana laharana faha 2025-1101 tamin'ny 20 Oktobra 2025 manendry an'Andriamatoa 𝐇𝐞𝐫𝐢𝐧𝐭𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚 𝐑𝐀𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐄𝐋𝐎, ho 𝐏𝐫𝐚𝐢𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧'𝐧𝐲 𝐆𝐨𝐯𝐞𝐫𝐧𝐞𝐦𝐚𝐧𝐭𝐚 araka ny tolo-kevitr'ireo solombavambahoakan'i Madagasikara.Maro ny antony nisafidianana azy hoy ny Filoham-panjakana. Ankoatran'ny fahaizany dia olona manana traikefa sy fahalalana lalina amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-barotra ary amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Praiministra vaovao.©️ Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM