Actualités > FIARAHA-MIASA EO AMIN' I MADAGASIKARA...

FIARAHA-MIASA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY NY BANKY IRAISAMPIRENENA


𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐[30 𝒐𝒌𝒕𝒐𝒃𝒓𝒂 2025]Tonga nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, teto Mahazoarivo androany, ny solontena maharitry ny Banky Iraisampirenena eto Madagasikara, Andriamatoa Atou Seck. Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta miompana amin’ny fanohanana ireo tetikasa laharampahamehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny fifanakalozana. Nodinihana manokana nandritra izany ireo olana lehibe manakana ny fisitrahana ireo tolotra fototra amin’ny angovo sy ny rano izay tena ilain’ny vahoaka malagasy. Noresahana koa ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Nifanaraka ny andaniny sy ny ankilany fa hanohy ny dinika miaraka amin’ireo ekipa teknika miahy ireo sehatra voalaza ireo amin’ny herinandro ho avy, mba hahitana vahaolana haingana sy hitondrana fanatsarana eo amin’ny kalitaon’ny tolotra, ka ahazoan’ny Malagasy misitraka vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fohy ezaka na amin’ny fotoana heverina fa antonony hanatanterahana izany.𝐍𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚

FIARAHA-MIASA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY NY BANKY IRAISAMPIRENENA
FIARAHA-MIASA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY NY BANKY IRAISAMPIRENENA
FIARAHA-MIASA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY NY BANKY IRAISAMPIRENENA
Publie le 31/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités