Sabotsy 01.11.25 - Tapakany fefiloha Farafaty ny alakamisy alina, ka niteraka fahatapahan-drano teto Toamasina. Taorian'izany dia nidina ifotony nijery ny zava-misy Ramatoa Minisitra ny Rano ny ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, niaraka tamin'ny Minisitra ny Mponina sy ny Firaisankina, ny solombavambahoaka, ny prefen'ny Toamasina ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.Nandritra io fidinana io dia napetraka avy hatrany ireo vahaolana vonjy maika telo manaraka :Fametrahana « batardeau » vonjimaika izay niarahana tamin'ireo rafi-panjakana maro sy mpiaramombonantoka teto an-toerana, hanampy amin'ny famerenana ny fikorianan'ny rano.Fiaraha-miasa amin'ny ONG Ranontsika ho fanamaivanana ny vidin-drano amin'ny famatsiana haingana.Fametrahana kamiao mitondra rano hanampy amin'ny famatsiana vonjimaika ho an'ny mponina.Ho an'ny vahaolana maharitra, dia efa eo am-panomanana ny fanarenana tanteraka ny « barrage » Farafaty mba hiantohana ny famatsian-drano maharitra ho an'ny tanànan'i Toamasina. Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène de Madagascar