Tonga niatrika ny fotoam-bavaka lehibe niarahana tamin’ireo mpino tetsy amin’ny Foiben’ny Fiangonana JESOSY MAMONJY Ankorondrano ny Mpanolon-tsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Ny Kolonely Dr 𝐌𝐚𝐫𝐜𝐞𝐥𝐥𝐢𝐧 𝐙𝐚𝐟𝐢𝐭𝐚𝐬𝐨𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐎𝐄𝐋𝐒𝐎𝐍, notronin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚, izay sady zanaky ny Boriboritany fahatelo rahateo ihany koa. Namaly ny Fanasan’ny Fiangonana ireto solotenam-panjakana ireto ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ary koa ho fanotronana ny fotoan-dehibe Fitokanana ny fanitarana ny efitrano Fiangonana. "𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒊𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒊𝒛𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂" araka ny tenin’ny Soratra masina ao amin’ny JAONA 17:21a no niompanan’ny hafatra nandritra ity fotoam-bavaka lehibe niarahana tamin’ireo mpino tetsy Ankorondrano ity.