𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐[𝑭𝒂𝒉𝒂-5 𝒏𝒐𝒗𝒂𝒎𝒃𝒓𝒂 2025] Tontosa soamantsara ny fihaonana ara-pomba fanajana sy feno firahalahiana teo amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, Andriamatoa Roland Kobia.Nifantoka tamin’ny fivoaran’ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny ho fizotry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fifanakalozana. Nampahafantarin’ny Vondrona Eoropeana nandritra izany ny fikasany hanokatra indray ny famatsiam-bola sasany izay voasakana nandritra ny taona maro, sy ny fahavononany hanampy ny governemanta malagasy amin’ny sehatra maro toy ny fanatsarana ny fitantanana ara-bola, ny toekarena, ary ny sehatra sôsialy.Nifanaraka ihany koa ny roa tonta amin’ny hanafaiganana ny firosoana avy hatrany amin’ireo tetikasa maika toy ny fisitrahana rano fisotro madio, ny jiro sy ny herinaratra, ny fambolena, ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa eny amin’ny Oniversite manerana an’i Madagasikara. Nanome toromarika ny Praiminisitra mba hahazoana vokatra haingana ny fifanarahana momba ny fiaraha-miasa ara-toekarena (APE) eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny vondrom-pirenen’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (AFOA), misy an’i Madagasikara, Maorisy, Seisely, Zimbaboe ary La Réunion.Raha tsiahivina, dia tsy mbola nahazoana vokatra ireo fifampiraharahana miisa 15 notanterahana teo amin’ny Vondrona Eoropeana sy ireo firenena mpikambana ao amin’ny AFOA ; ka isan’ny tanjon’ity dinika vaovao natao ity ny hitadiavana vahaolana hentitra sy fomba mahomby hahatanteraka izany ao anatin’ny fotoana voafetra.𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮𝐂𝐎𝐎𝐏𝐄𝐑𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐄𝐍𝐓𝐑𝐄 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐄𝐓 𝐋’𝐔𝐍𝐈𝐎𝐍 𝐄𝐔𝐑𝐎𝐏𝐄𝐄𝐍𝐍𝐄 Une rencontre cordiale, marquée par un esprit de respect mutuel et de coopération, entre le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Herintsalama Andriamasy Rajaonarivelo, et l’Ambassadeur de l’Union européenne, SEM. Roland Kobia s’est déroulée avec succès.Les échanges ont porté sur l’évolution de la situation à Madagascar et sur les perspectives de coopération entre les deux parties. L’Union européenne a fait part de son intention de dégeler certains financements suspendus depuis plusieurs années, ainsi que de sa volonté d’appuyer le Gouvernement malagasy dans plusieurs domaines, notamment l’amélioration de la gouvernance financière, le développement économique et le progrès social. Les deux parties ont décidé d’accélérer la réalisation des projets prioritaires, notamment l’accès à l’eau potable, l’électricité, le développement agricole et la construction d’infrastructures universitaires dans tout Madagascar. Le Premier ministre a donné des instructions pour obtenir rapidement des résultats concernant l’Accord de partenariat économique (APE) entre l’Union européenne et les pays membres de l’Organisation des États d’Afrique de l’Est et de l’Afrique Australe (AFOA), dont Madagascar, Maurice, les Seychelles, le Zimbabwe et La Réunion font partie.Il sied de rappeler que quinze (15) cycles de négociations ont déjà eu lieu entre l’Union européenne et les États membres de l’AFOA sans aboutir à des résultats concrets. Ce nouveau dialogue vise ainsi à identifier des solutions durables et des mécanismes efficaces pour concrétiser ces accords dans les meilleurs délais.𝗟𝗮 𝗖𝗼𝗺𝗺𝘂𝗻𝗶𝗰𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻