Taorian’ny nahavoatendry azy ho Tale misahana ny lafiny mahaolona omaly dia androany no natolotry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ho fantatry ny mpiara-miasa rehetra eto anin’ny ministera Andriamatoa 𝐑𝐀𝐋𝐀𝐈𝐕𝐀𝐎 𝐁𝐚𝐫𝐢𝐯𝐞𝐥𝐨 𝐇𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 izay hisahana ity andraikitra ity. Mifanindra an-dalana amin’ity fampahafatarana tompon’andraikitra ity, izay maneho ny fangaharahana ho fantatry ny rehetra, dia nitohy tamin’ny fihaonan’ny minisitra sy ireo mpiasa tsy an-kanavaka ny fotoana tetsy amin’ny efitrano HAVORIA Anosy, izay nahafahan’ireo mpiasa naneho mivantana ny hetahetany sy ny fangatahany ho amin’ny fanavaozana.