FAHATONGAVAN'NY FANAMPIANA AVY AMIN'NY BNGRCNoho ny loza haitrano,nitranga teto Manambondro, Fokontany Vohindava, ny faha-13 Novambra 2025 lasa teo, nahitana trano 279 may kila forehitra, ao anatin'izany ny tranobe 9, ka olona 963 no lasa traboina.Manoloana izany tranga izay , dia tonga atoandro izao eto Manambondro ny iraka amin'ny Fanjakana, amin'ny alalan'ny BNGRC, nanolotra fanampiana ho an'ireo fianakaviana niharan'ny voina ,toy ny :varier, voamaina, menaka, lamba, ary kizakozan-dakozia, ho fanamaivanana ny fahasahiranana mianjady, amin'izy ireo.Tsara marihina fa ny faha-28 Oktobra lasa teo ihany koa dia efa nisy famaizana hafa nitranga teto amin’ity Kaominina Manambondro ity, Izay tsy lavitra izao toerana nisian’ny loza farany izao.DRCC Atsimo Atsinanana