Nandritra ny fivorian’ny Komity Mpanatanteraky ny Forum Parlementaire de la SADC (FP-SADC), izay atao ny 26 sy 27 Novambra 2025 ao eThekwini, Afrika Atsimo, dia nanao fianianana ny Filohan’ny Antenimierampirenan’i Madagasikara, RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry, ho fanamafisana ny fanohizana ny toerana maha-Filohan’ny FP-SADC.Tontosa io fianianana io araka ny ambaran’ny andininy faha-11(4) ao amin’ny lalàna mifehy ny FP-SADC, izay mamaritra fa rehefa tsy mpikambana intsony ao amin’ny Antenimiera nasionaliny ny solontenam-panjakana voafidy ho Filohan’ny Forum, dia « ny olona notendren’ny Antenimiera nasionaly hisolo azy no mandray sy manatanteraka ny andraikitry ny Filoha mandra-pahatapitry ny fe-potoana, ary tsy maintsy Filohan’ny Antenimiera ihany no afaka misolo Filohan’ny Antenimiera ».Tsiahivina fa voafidy ho Filohan’ny FP-SADC i Madagasikara ny zoma 13 Desambra 2024, nandritra ny Fivoriambe faha-56 natao tao Livingstone, Zambie.Noho izany, amin’ny maha Filohan’ny Antenimierampirenena voafidy azy, dia ara-dalàna no andimbiasan’Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry ny fitarihana ny FP-SADC ho an’ny fotoana sisa tavela amin’ny fe-potoam-piasana 2024–2026.