lapan'i mahazoarivo,
[faha-24 febroary 2025]
Notontosaina teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany ny fihaonana arak’asa notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, niaraka tamin’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, sy ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena, ary ireo Jeneraly miisa 35 mirahalahy izay nahazo fisondrotana teo amin'ny laharam-boninahitra taona 2024. Fitondrana fanatsarana kokoa hatrany no tanjona imasoana amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra manerana ny Nosy, ka ny fomba fisaina mivelatra amin’ny fampanjariana izany dia ilàna angovo sy herijika matanjaka eo amin’ny tomponandraikitra, hoy ny Praiminisitra.
"Vato nasondrotry ny tany ianareo, ka manana adidy sy andraikitra goavana hiatrehana miaraka ny fanamby lehibe mifantoka amin’ireo ezaka rehetra hitondrana fanovana lalina amin'ny fitantanana ny Firenena", hoy izy. Mipetraka ho laharampahamehana araka izany ny famongorana ireo fomba amam-panao ratsy manohintohina ny fiainam-bahoaka, ka hamaliana hatrany ny hetahetan’ny mponina manerana ny Faritra amin’ny fanatevenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina; na an-tanàn-dehibe izany, na eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Araka izany dia nampahatsiahivin’ny Praiminisitra, fa zava-dehibe hitarafana ny maha tomponandraikitra ny laharam-boninahitra nametrahana ireto manamboninahitra Jeneraly ireto, ary manana adidy izy ireo hameloma-maso ny fandavorariana ny fitantanana ny Firenena ao anatin’ny fahitsiana, ny fahaiza-manao, ary ny fitiavan-tanindrazana. Ireo no soatoavina telo lehibe mibaiko amin’ny fitondrana fampandrosoana mivantana amin’ny vahoaka izay nanolotra ny fahefana, hoy hatrany izy.
Ny Serasera