Sary manodidina ny 3000 mirakitra ireo ๐๐ฌ๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ ๐ข๐ซ๐จ๐ญ๐ฌ๐๐ก๐๐ง๐ ๐๐ง-๐ญ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐๐ฉ๐จ eto anivonโny Minisiteranโny Serasera sy ny Kolontsaina no aranty manomboka anio, hatraminโny faranโny herinandro, etsy aminโny ๐๐ซ๐๐ง๐จ ๐ฌ๐๐ซ๐ฒ Ambohidahy ho fanamarihana ny ๐จ๐๐ ๐๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐โ๐๐ ๐ญ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ง๐๐ง-๐๐๐ง๐ฃ๐ ๐ง๐ฒ ๐๐ข๐ซ๐จ๐ญ๐ฌ๐๐ก๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ข๐ซ๐๐ข๐ซ๐๐ฒ, io no lohahevitra nofidiana ho anโity hetsika azonโny besinimaro tsidihina, sy hihaonana mivantana aminโireo mpirotsaka an-tsitrapo ity.Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny hetsika ny Sekretera Jeneraly RASOLOFOARIJAONA Miary notronโireo mpiara-miasa eo anivonโny minisitera, izay nanipika fa manome lanja ny fandraisanโandraikitra ataonโny olom-pirenena ny eto anivonโny Minisitera ary mankahery hatrany ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy manolotra fisaorana ireo mpiara-miombonantoka izay mifanome tanana hatrany aminโny Minisitera.