Tontosa androany teny amin’ny efitrano lehiben’ny CCI Centre de Conférence International Ivato ny 𝗙𝗢𝗧𝗢𝗔𝗠-𝗕𝗔𝗩𝗔𝗞𝗔 𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗡𝗢𝗔𝗡𝗔 notarihin’ireo 𝙍𝙖𝙮 𝙖𝙢𝙖𝙣-𝙙𝙍𝙚𝙣𝙮 𝙈𝙥𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙁𝙞𝙖𝙣𝙜𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖 efatra mirahalahy avy eo anivon’ny 𝗙𝗙𝗞𝗠 𝑭𝒊𝒐𝒎𝒃𝒐𝒏𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝑲𝒓𝒊𝒔𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒕𝒐 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 ho fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 handraisan’ny vahoaka malagasy anjara.𝑵𝒂𝒎𝒂𝒍𝒚 𝒏𝒚 fanasàna avy amin’ny FFKM ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy eo anivon’ny Minisitera, izay niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpiray tanindrazana tonga teny an-toerana.𝘖𝘭𝘰𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘮𝘪𝘩𝘢𝘧𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘧𝘪𝘷𝘢𝘭𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘕𝘰𝘴𝘺, 𝘍𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘴𝘢𝘯-𝘬𝘢𝘳𝘢𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘴𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘰𝘬𝘰 𝘱𝘰𝘭𝘪𝘵𝘪𝘬𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘰 𝘴𝘢𝘮𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘩𝘢𝘯𝘺, 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘯𝘵𝘰 𝘴𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘫𝘢𝘩𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 , 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢, 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢, 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢, 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘙𝘢𝘺 𝘢𝘮𝘢𝘯-𝘥𝘙𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘰, samy tonga naneho fahavononana 𝙝𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙫𝙖𝙝𝙖𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖 ho an’ny Firenena malagasy izay 𝒑𝒐𝒕𝒊𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒐𝒉𝒐 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒆𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒕𝒊𝒂𝒗𝒂𝒏-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒊𝒌𝒐𝒍𝒚, 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒈𝒐𝒓𝒐𝒏𝒂𝒏-𝒌𝒂𝒓𝒆𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒉𝒐𝒂𝒑𝒂𝒑𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏’𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒊𝒕𝒔𝒚, 𝒂𝒓𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒂𝒅𝒊𝒉𝒂𝒏𝒂 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒆𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒓𝒐 nataon’ireo 𝙈𝙥𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙩𝙚𝙤 𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖 izay namarina ny Firenena tany an-kady, ka nahatonga ny Fitondram-panjakana ankehitriny tarihin’ny 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 Mickael, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara nanolotra vahaolana amin’ny alalan’ny 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙤𝙡𝙤𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 izay tsara sitrapo rehetra, hanome ny tolo-kevitra avy aminy ao anatin’ny 𝗙𝗶𝗸𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮.Tonga nanome voninahitra ity fotoana lehibe androany ity ireo tompon’andraikim-panjaka ambony maro eto anivon’ny Firenena notarihin’ireo Mpanolo-tsaina avo, notronin ’ireo Filohana Andrim-panjakana isan-tokony.