Nanao ny jery todiky ny asa vita nandritra ny taona lasa ny teo anivon’ny fikambanana mpanao firotsahana an-tsitrapo eo anivon’ny 𝘍𝘳𝘢𝘯𝘤𝘦 𝘝𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 androany tetsy amin’ny biraon’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 Nanisana.Tanora maro nanao asa firotsahana an-tsitrapo tany Frantsa sy la Réunion no nifandimby nizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ireo asa sosialy natao tamin’ny mpiara-belona nandritra ny diany.Tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂, sy ireo tompon’andraikitra misahana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa (SCAC). Zava-dehibe ho an’ny firaha-monina ny fanoloran-tena ataon’ny tanora amin’ny asa an-tsitrapo, izay ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 no rafitra mpiahy ny asa firotsahana an-tsitrapo. Fantatra ary fa ny taona 2026 dia napetraka ho 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗶𝗿𝗼𝘁𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗽𝗼 ka ny 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝑹𝑨𝑺𝑶𝑳𝑶𝑭𝑶𝑨𝑹𝑰𝑱𝑨𝑶̂𝑨 𝑴𝒊𝒂𝒓𝒚 no voafidy ho tompon’andraikitra voalohany handrindra ireo fandaharan’asa mandritra io taona iraisam-pirenena io.