๐ณ๐๐๐๐โ๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐[๐ญ๐๐๐-3 ๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]Nihazo avy hatrany ny Distrikanโi Vatomandry sy Mahanoro, Faritra Atsinanana, ny delegasiaona notarihinโny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, androany maraina, nankahery sy nitondra fanampiana ho anโireo traboina vokatry ny rivodoza Fytia. Nozaraina taminโizany ireo zavatra ilaina maika, toy ny vary, menaka, voamaina ary kojakoja ilaina andavanandro, ho anโireo fianakaviana voakasika.Nandritra ity fidinana ifotony ity dia nihaino mivantana ny fitarainanโireo traboina ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, ary nampatsiahy ireo mpikambana ao aminโny Governemanta ny maha-zava-dehibe ny fandrindrana ny asa fanarenana sy ny famerenana haingana aminโny laoniny ny fiainanโny mponina, aminโireo faritra rehetra voakasiky ny rivodoza.Niara-dia taminy taminโizao fitsidihana ny Faritra Atsinanana izao ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, ireo olom-boafidy, olom-boatendry ary ireo tomponandraikitra ambony eto Mahanoro sy Vatomandry.๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ Primature - Lapan'i Mahazoarivo
Alatsinainy 2 Martsa 2026