𝙇𝙤𝙯𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙡𝙤𝙠𝙤 𝙢𝙖𝙫𝙤 :Ambatosoa, Alaotra Mangoro,Analamanga, Bongolava Itasy ;Vakinankaratra;Melaky ;Menabe ;Antalaha ;Andapa ;Mandritsara , Befandriana Avaratra .Filazana miloko mavo/loza manambana 1 na 2 andro alohan’ny fahatongavan’ny rivodoza.Akarina an-tanety ny lakana sy ny bakaManomana tahirin-tsakafo maharitra andro vitsivitsyManangona vatoaratra sy labozia na jiro fanao am-paosyAfindra amin'ny toerana azo antoka ny biby fiompy (akoho,gisa,saka,alika...)Manara-maso ny zaza sy ny tanoraVokisana ny vatoaratraMifampilaza ny isan-tokantrano amin'ny fandaharam-potoana rehetraMamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny fonenana (EPP, CEG, Lycée, Fiangonana)Manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny andro ratsyMifampizara vaovao, indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefoEntanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.BNGRC