Actualités > URGENT

URGENT


Niditra an-tanety tamin' ny 07 ora sy sasany teo, tao Toamasina ilay rivodoza mahery vaika GEZANI. 180km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafotra 250km/ora manakaiky ny fiobeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 16km/oraHaharitra mandritra ny adiny iray eo ho eo ny fitoniana mandritra ny fandalova’i ivony.Aorian’izay dia hiverina hisafotofoto indray ny rivotra ary hijojo ny orana.Tsy misy fiovana ny filazana loza mikasika ny rivodoza :Loza mitatao miloko mena : Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga ary Betsiboka ;Loza manambana miloko mavo : Ambatosoa, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky, Menabe, Mandritsara ary Befandriana Avaratra ;BNGRC

Publie le 12/02/2026 Par 451512 Categorie: Actualités