Fππ¦π©ππ‘ππππ§πππ«ππ§π ππ¦π’π§βπ§π² ππ§π€ππ©π¨πππ§π² π§π² π¦ππ§π¨ππ’ππ’π§π π§π² ππ’π‘ππ¨π§ππ§π ππ§-πππ¦π©π¨π§π² πππ‘π ππ π§βπ§π² ππππ ππ§π’π¨ ππ ππ¨π₯ππ² ππππ.Notanterahina androany ny fampahantarana ofisialy ireo fandaharam-potoana sy ny tetiandro mandritra ny fihaonana an-tampony faha 45 nβny SADC izay hatao eto Madagasikara ny 3 hatramin'ny 18 Aogositra 2025.Ivon'ity fihaonana iraisam-pirenena ity ny fitarihan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ny Vondrona SADC.Nitondra fanazavana manoloana ny mpanao gazety tetsy amin'ny foibe fandrindrana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina MARA Volamiranty Donna, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny RAFARAVAVITAFIKA Rasata ary ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, CHAMONAH Loulla. Nandritra izany no nampahafantarana sy namelabelarana ny lohahevitry ny fihaonana dia "Promouvoir l'industrialisation, la transformation agricole et la transition Γ©nergΓ©tique pour une SADC rΓ©siliante " Hisy ihany koa ny kaonferansa iraisam-pirenena lehibe hatao eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo hiarahana amin'ireo manam-pahaizana sy ireo mpikaroka malagasy sy vahiny izay hetsika eo ambany fiahian'ny Filohan'ny Repoblika, Andry RAJOELINA.Sambany eo aminβny tantaranβi Madagasikara ny hampiantrano io fihaonana an-tampony izay andraisanβny firenena 16 anjara io ary maro ny tombontsoa hositrahanβny vahoaka Malagasy aminβizany. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-bitanβny SADC, hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-paritra na amin'ny lafiny fifanakalozana ara-barotra, ny fametrahana fandriampahalemana, fampiroboroboana ny indostria, fanatsarana ny fambolena, ary hanohanana ny fikarohana eny aminβny anjerimanontolo.