Actualités > 29 APRILY 1931 - 29 APRILY 2025 / FEN...

29 APRILY 1931 - 29 APRILY 2025 / FENO 94 NY RADIO MADAGASIKARA RNM 92.2 MHz


Feno 94 taona anio ny Radio Madagasikara  RNM 99.2 MHz. 94 taona nanabeazana, nizarana vaovao sy nampialavoly ny mpihaino. Vavolombelon'ny tantara sy mpiara-dia amin'ny vahoaka malagasy amin' ny lafiny rehetra ny Radio Madagasikara. Ny fampiarahana ny traikefa tranainy sy ny fomba fijery vaovao manaraka ny fanatontoloana no naha-toy izao ny RNM hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Volamiranty Mara Donna. Manamarika izao faha-94 taona izao ny fanoloran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina  fitaovana hoenti-manatsara ny fomba fiasa eto anivon'ny Radio Madagasikara.Radio Madagasikara, n'aiza n'aiza, amin' ny fotoana rehetra

29 APRILY 1931 - 29 APRILY 2025 / FENO 94 NY RADIO MADAGASIKARA RNM 92.2 MHz
Publie le 30/04/2025 Par 451512 Categorie: Actualités