Iray amin'ireo singa mandrafitra ny vohitr'Ambohimanga, izay Harem-bakoka iraisam-pirenana, ny ala manodidina ny Rova.
Isan'ireo tena naha-saropiaro ny mpanjaka Andrianampoinimerina ireo ala manodidina ireo raha ny tantara. Tandindonin-doza amin'ny afo hatrany anefa ny vohitr'Ambohimanga. Ho fiarovana sy ho fikajiana azy dia manao fambolen-kazo ho fanosohana ny aty ala hatrany ireo mpiara-miasa eny isan-taona.
Androany dia nifanolo-tanana tamin'ny ekipan'ny Ofisy mitantana ny Vohitr'Ambohimanga tamin'izany fanasosohana zanaka hazo ny alan'Ambohimanga izany ny ekipan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin'Andriamatoa Sekretera Jeneraly Fetra RAKOTONDRASOAVA.
Zana-kazo zanatany avy amin'ny toeram-pamokarana zana-kazo manokan'ny ofisy mitantana ny vohitr'Ambohimanga maherin'ny 600 no novolena.
Tsara ny manamarika fa velona ary mitombo tsara avokoa ireo zana-kazo novolena teny Ambohimanga tamin'ny taon-dasa.
๐๐ฆ ๐๐๐, ๐๐๐ก๐๐๐ฆ ๐๐ฆ ๐
๐๐๐ ๐ ๐ฆ ๐๐ฆ ๐ด๐๐๐๐ฃ๐