Misandrahaka ny asan’ny serasera, koa amin’ny maha minisitra mpiahy ny Faritra VATOVAVY an-Ramatoa MARA Volamiranty Donna Mara Donna dia nanolotra solosaina miisa 10 hoan’ity faritra ity ny tenany mba ho enti-manatsara ireo asa mifandraika amin'ny serasera eny anivon'ireo sampandraharaham-panjakana toy ny mpitandro filaminana, ny biraon'ny fananan-tany ary Kaomina, manaraka izay filàna nampitain'ireo Solombavambahoaka avy amin'ireo Distrika telo mandrafitra ny Faritra Vatovavy ireo.Tonga nandray izany fampitaovana ara-tserasera izany tetsy amin'ny Biraon'ny Ministera Anosy ny Solombavambahoaka voafidy tao Ifanadiana MANANTENA Hajanirina Dinah, sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Mananjary RANDRIARISON Maurice Lucien, ary ny Solombavambahoaka voafidy tao Nosy Varika MALAINKORATSY Jocelyn.Fanoitran'ny fampandrosoana miainga eny ifotony ny Serasera ka antony anaovan'ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina azy ho zava-dehibe.