Notanterahina androany tetsy amin'ny Kianjan'ny Hiragasy etsy Anosy ny fanaovam-beloma farany an'ity andrarezin'ny Hiragasy ity.Ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna no nisolo-tena ny Fitondram-panjakana nametraka ny mari-boninahitra, ary nanao ny lahateny fohy ho fanaovam-beloma an'i SAHONDRAFININA Zanany.Tsiahivina fa ny taona 2015, fony fahavelony dia notoloran'ny Fitondram-panjakana ny Mari-boninahitra " Chevalier de l' ordre national malagasy" ny tenany noho ny asa kanto vitany.Mandria am-piadanana